Ampefiloha: Trano iray no nirodana, lasa kamboty ray sy reny izy roalahy kely
24 Janoary, 07h00. Trano iray indray no nianjera teny Ampefiloha ny alahady 23 janoary. Nodimandry ny ray aman-dreny tao amin’ity fianakviana ity. Avotra soa aman-tsara kosa ny zanany roa lahy kely. Napetraka eny amin’ny HJRA ny razana ary arahina maso ny fahasalamana izy roa lahy. Eo am-pitadiavana ny fianakaviana handray azy ireo ny tompkn’andraikitra.
