Fampidirana ho mpitsabo mpanampy
09 avril, 15h00. Taorian’ny filan-kevitry ny minisitra izay natao ny alarobia 7 aprily lasa teo, izay miantso mpitsabo mpanampy maromaro hanatevin-daharana ny sehatry ny fahasalamana, nilaza ny minisitera tompon’andraikitra fa mandritran’ny herintaona misy fihavaozana ny fifanarahana eo amin’ireo izay hilatsaka an-tsitrapo hanao izany. Fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana Vita omaly ny lanonana izay nianianan’ireo mpikambana vaovao hiasa mandritran’ny 7 taona. Natrehin’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina izany. Vehivavy avokoa ny ankabeazan’izy ireo.
