Alaotra Mangoro : Tambazotran-jiolahy mpaka an-keriny nisy mpitandro filaminana ravan’ny zandary
30 May, 10h00. Rava nandritra ny hetsika manokana niadiana tamin’ny faka an-keriny nataon’ny Groupement Alaotra Mangoro ny tambazotra iray misahana izany. Mpitandro filaminana ny telo tamin’ireo olona tratra ireo ka ny roa amperin’asa ary efa misotro ronono kosa ny fahatelo. 13 mianadahy no ho atolotra ny fitsarana ka ny telo amin’ireo dia vehivavy. Marihina fa vaovao avy tamin’olona tsara sitra-po no nahafahana nisambotra ireo olona ireo.
