Ady amin’ny valala :
30 May, 09h30. Maro ireo fepetra napetraky ny tompon’andraikitra Tale Jeneralin’Ivotoerana Famongorana ny Valala, Randrianantenaina Toarson dia nampilaza fa tsy azo atao ny mihinana sy mivarotra valala misy poizina, tsy azo atao ihany koa ny mampiasa barika avy nisy poizim-balala sy mivarotra poizim-balala. Nanamafy izy fa mila hampiana amin’ny fijerena an’ireo valala sy ny famonoana izany ny teknisianina raha tojo fasahiranana. Niantso ireo afaka mampiantrano ireo teknisianina ireo ihany koa ny tenany raha ialaina izany.
