Mahanoro : Lehilahy nisoloky ho mpiasan’ny JIRAMA
13 May, 14h00. Natolotra ny fampanoavana ary naiditra am-ponja ao Vatomandry ihany koa ny lehilahy iray misandoka ho mpiasan’ny JIRAMA, avy any Antananarivo. Mitety trano ao Mahanoro izy ary milaza ho mahatafiditra jiro sy manafaingana izany. Manao fanamarihana « compteur » sy faktiora ihany koa izy ary mitonona ho mpanara-maso avy amin’ny JIRAMA.
