Misy olona mivelona amin’ny fivarotan-tenan’ny hafa
15 Septambra, 08h55. Mihamahazo vahana tato ho ato ny fivarotana sary mamoafady amin’ny tranokala. Noho ny ezaka sy fitsirihina nataon’ny Polisim-pirenena tao Toamasina dia sarona ilay olona izay mampiasa olona roa hivarotra ny sariny. Tsiahivina fa enjehin’ny lalàna ny fandraisana tombotsoa amin’ny fivarotan-tenan’ny hafa sy ny famporisihina olona hiroboka amin’ny zavatra mamoafady.
