Tovolahy tratra nangalatra finday tany amin’ny faritra Mahajanga
15 Septambra, 08h30. Tovolahy iray vao 13 taona monja no nahiditra am-ponja ao Marofotra noho ny fangalarana finday izay nataony. “Noana aho ka voatery nangalatra findain’olona hahazoalo vola” hoy ny fanazavana nataony nandritra ny fakana am-bavany azy. Kamboty ray sy reny izy, ary mbola manana zandry hovelomina ka izany indrindra no nitsirian’ny fanirian-dratsy tao aminy
