Faritra Diana: nahazo moto avokoa ireo ben’ny tanàna rehetra.
Dépêche 26 septembre, 1h, Nanome teny sy fampanantenana ny Filoham-pirenena fa hanome moto ireo ben’ny tanàna ao amin’ny faritra Diana rehetra. Notanterahiny tokoa izany ka tonga tao tany an-toerana ireo moto miisa 64 ka nisitraka izany avokoa ireo ben’ny tanàna rehetra tany an-toerana.
