Anjeva Gara : Mitohy ny hetsika « Ben’ny tanàna mitety vohitra »
Mitohy ny hetsika ataon’ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy ao anatin ‘ny kaominina Anjeva Gare, dia ny hetsika « Ben’ny tanàna mitety vohitra » izany. Fokotany maromaro anatin’ny kaominina indray no nandehany an-tsehetra, nijerevana sy nanamboarana ireo foto-drafitr’asa araka ny filàn’ny mponina ao an-toerana.
« Ny fokontany Ambohidrazana no nanaovana fitsidihana ny faran’ny herinandro iny, izay nahitana ny vohitra Ambohidrazana, Samboarana, Sarodazaina, Miankandrefan-doha, Antangirika, Atsonjobe, ary Ankitsikitsika. Nisy ny fametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 12 tamin’izany, nisy ihany koa ny fanamboaran-dalana ary ny fivoriam-pokonolona ho fankan-kevitra sy fijerena ny asa tokony atao manaraka » hoy ny ben’ny tanàna.
« Anisan’ny manakaiky ny vahoaka tokoa ny fandehanana eny ifotony mijery ny zava-misy, hiainan’ny mponina andavan’andro. Amin’izay tokoa no ahafantarana ny olana sy ny filàn’ny mponina mba ahafahana mitondra vahaolana, na fanampiana ho azy ireo » hoy i Samisoa, mpikaroka momba ny fiaraha-monina.
Mandeha tokoa ny asa fanasoavana ny vahoaka sy ny fametrahana paik’ady ho fampandrosoana ny mponina eny ifotony rehefa akaiky ny vahoaka tompon’andraikitra mahefa ao amin’ny kaominina. Tsy anjaran’olo-tokana na adidin’olona samirery ny fampandrosoana faritra, fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena tsirairay
Manitra Ramanantsoa
