Inona no vahaolana amin’ireo fihariana mikasika ny zava-kanto tsy mitsahatra ny miato ankehitriny ?
Mbola nisy tamin’ireo mpikarakara lanonana no mbola nahazo tombony kokoa tamin’ny fotoana tsy nahafahana namory olona afatsy 200. Mbola azo handraisana lanonana sy hanaovana fampisehoana tokoa mantsy izany na tao aza ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Amin’ny fotonan’ny hamehana ara-pahasalamana tahaka ny amin’izao fotoana izao anefa, nahena ho 100 indray ny fetran’ny olona mahazo mivorivory. Fadiana tanteraka aza moa izany vokatry ny fiparitahan’ny aretina haingana loatra. Noho izany, foana tanteraka tsy misy handraisana tombotsoa intsony ireo seho ara-javakanto rehetra. Ny mpikarakara ihany koa etsy ankilany tsy mazoto amin’ny hidiran’ny fatiantoka mety ho azon’izy ireo. Nisy amin’ireo hetsika saika hotanterahana izay efa noferana ho 200 no natsahatra tampoka vokatry ny hamehana ara-pahasalamana. Maro ny seho an-tsehatra tsy tanteraka noho izany. Ny zava-misy eto amitsika aza toa tena miha mitombo hery nohon’ny tamin’ny taon-dasa, hatramin’ny mpanakanto avy aza no maro no nodimandry tampoka. Mandalo fahasahiranana ny mpanao zavakanto vokatry izany. Tsiahivina manokana amin’izany ihany koa ireo mpanakanto mpanafana lanonana sy mpampandihy, indrindra fa ireo mpanao seho isaky ny herinandro. Mbola sarotra ihany koa anefa ny hanarina ireo fatiantoka very mandritra izao fotoana izao. Tsy misy afatsy ny fitandremana ihany anefa no mampitarazoka na tsia izao valan’aretina izao. Miandrandra vahaolana amin’ny fanohanana azy ireo etsyankilany ny mpisehatra ara-kolotsaina manoloana izany, noho ny fahatapahan’ny hetsika sy ny asan’izy ireo.
Fanilo Rarivoarilala
