Ambohimangakely : Misy ny fanamboarana sy fanatsarana ny tetezana mampitohy an’i Betsizaraina sy Kianja avaratra
Misy ny fanamboarana sy fanatsarana ny tetezana ao ami’ny lalana mampitohy ny fokontany Betsizaraina sy Kianja avaratra, amin’izao fotoana. Voatr’izany dia tapaka ny lalana ao amin’ireo toerana ireo.
« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ho fampandrosoana ny eny ifotony dia nirosoana ny fanitarana sy ny fanatsarana ny tetezana eto an-toerana. Maharitra roa andro moa ny asa fanamboarana izany » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Efa maro tokoa ny olona mifamezivezy sy ny fiara mandalo eo ka anisan’ny asa mety tokoa izao nataon’ny tomponandraikitra izao. Andrasana ny fahavitan’ny asa ara-potoana satria hampijaly ny mponina raha tapaka tanteraka foana ny lalana » hoy i Andry, mponina ao Ambohimangakely.
Tafiditra ao anatin’ny asa fampandrosoana eny ifotony ilain’ny vahoaka ny asa fanitarana sy fanatsarana foto-drafitr’asa tahaka izao. Mbola maro anefa ireo asa fanatsarana tokony ataon’ny kaominina eny amin’ireo fokontany hafa, araka ny fitarainan’ny mponina.
