France : Nanomboka ny alatsinainy teo ny fitsarana an’i Damien Beyssel
Tovolahy 21 taona i Damien Beyssel. Nanomboka ny alatsinainy teo ny fitsarana azy tao Perpignan nohon’ny famonoana an’i Priscillia Gonzales.
Raha tsiahivina dia ny 7 jolay 2019 no hita tao amin’ny fasan’i Estagel tao Pyrénées-Orientales ny fatin’i Priscillia Gonzales, 18 taona. Nitsirara teo anelanelan’ny fasana roa izy, azy tsy niakanjo ambany. Taorian’ny fety hoan’ny mpamonjy voin’ny kaomininy io tovovavy io no nanomboka tsy hita. Nanambara kosa ny fizahana natao tamin’ny razany fa niharan’ny fanolanana izy, nokendaina nandra-pialan’ny fofon’ainy ary mbola notsatohana ny antsy in-5.
18 taona ihany koa i Damien Beyssel tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga. Mety ho voaeloka am-ponja mandrampahafaty izy noho io famoanoana olona nataony io, raha ny fanazavana.
