Dépêches

Tanan-dehibe: Mitombo hatrany ny isan’ny mponina mipetraka an-tanàn-dehibe.

Dépêche 02 novembre, 14h, Fomba iray hahafahana mampandroso an’ny Madagasikara ny mahakasika ny “urbanisation”. Mipetraka an-tanàn-dehibe ny ampahatelon’ny  mponina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.. Isa izay vinavinaina hitombo ao anatin’ny 20 taona manaraka. Sarotra anefa ny hampidinana azy ion oho ny rivotra mitsoka amin’ny Malagasy ka mandrisika azy hiakatra an-drenivohitra. Ny hany azo atao dia ny manatsara ny foto-drafitr’asa hahafahana mampiakatra ny toekarena Malagasy mifanaraka amin’izany fitombon’ny olombelona izany. Ao anatin’ny ezaka hanatrarana ny tanjona hoe “miasa ho an’ny olona eny fotoany mba hampandroso ny firenena” ny anton’ny fanavaozana izany foto-drafitr’asa sian-karzany izany.

Laisser un commentaire