Dépêches

Ankazobe : Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatra olona

Fiara mpitatitra olona avy any Port Berger hihazo an’Antananarivo no tra-doza teo Ankazobe, izany hoe 20km tsy hidirana an’Ankazobe ny maraina teo tamin’ny 7 ora. Naratra avokoa ireo mpandeha niaraka tamin’ny mpamily saingy efa nahazo hopitaly. Roa tamin’izy ireo kosa no hatahorana ny ainy aloha amin’izao fotoana izao. Ny fandehanana alina matetika no mahatonga ny lozam-pifamoivoizana noho ny torimaso fotsy izay mety hahazo ny mpamily. Izany indrindra no ilaina ny fahamailoana raha handeha alavitra mba haka aina sy hatory tsara dieny mialoha ireo mpamily amin’ny lalam-pirenena.

Laisser un commentaire