Dépêches

Rano madio: Hampitomboana ny fisitrahana izany ho an’ny faritra maro 

    

Dépêche 12 décembre, 17h30, Ara-pahasalamana ny tokony ho fatran’ny rano sotroina isan’andro dia 1 litatra sy tapany eo ho eo na mihoatra isam-batan’olona. Izany dia tokony ho rano madio izay efa novonoina ny bakteria tao anatiny. Hanamorana ny fisitrahana izany ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra dia hatomboka ny tetik’asa fanatsarana ny fahazoan-drano madio na ny PAAEP izany. Ny 15 novambra izao dia hisy ny atrik’asa izay hifanakalozana hevitra sy handinihana ny mahakasika ny rano tokony hositrahan’ny isan-tokantrano. Tsy hijanona eto Antananarivo irery anefa izany fa hiparitaka amin’ny faritra hafa toa an’ny Antsiranana, Mahajanga, Antsirabe, Fianarantsoa, Manakara ary Mananjary.

Laisser un commentaire