Anjeva : Nisehoana ady sy fitokonana teo amin’ireo mpilalao baolina
Nisy ny ady sy ny fitokonana teo ambonin’ny kianja filalaovam-baolina tao Salazana, Anjeva gara nandritra ny fanatanterahana ny lalao ampahaefa-dalana tamin’ny fiadina ny amboaran’ny ben’ny tanàna, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha ny voalaza, nisy ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo ekipa avy amin’ny klioba hafa ka nahatonga ny fahatarana teo amin’ny fanombohan’ny lalao.
« Ao anatin’ny fandaminana tokony ataon’ireo tomponan’andraikitra voalohany indrindra dia ny fampanarahan-dalàna ireo ekipa sy ny fampiarana ny fepetran’ny lalao baolina kitra. Anisan’ny mampiteraka olana, ady sy korontana eo amin’ny mpilalao raha vao tsy hentitra ny fampanarahan-dalana » hoy i Jacquis, mpanaraka baolina kitra.
« Hiditra amin’ny dingana famaranana ny tsy ho ela ny lalao « Coupe du maire » sy ny « open » ato amin’ny kaominina. Ity kilalao ity dia natao ho fitaizana sy fiombonana ao anatin’ny fifasamihafana no tanjona amin’ny fifaninana “Coupe du Maire” fa tsy sanatria ny mifanohitra amin’izany. Tokony sorohana hatrany ireo olana isan-karazany ho filamin’ny rehetra” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
Lalao misarika olona sy mampiala voly ny rehetra ny baolina kitra. Anisan’ny miteraka olana maro na eo amin’ny mpijery na eo amin’ny mpilalao ny tsy fanajana ny fepetra sy ny lalàna ao anatin’izany. Mila arahi-maso akaiky araka izany ny zava-misy tahaka izao mba tsy hahakivy ireo voakasik’izany ka hanohitohina ny fitiavana ity taranja ity.
Manitra Ramanantsoa
