Fizahantany : Handray anjara amin’ny tsenaben’ny fizahantany any Londres i Madagasikara
Hotanterahina any Londres, Royaume-Uni ny tsenaben’ny fizahantany World Travel Market (WTM) ny 7 ka hatramin’ny 9 novambra ho avy izao. Handray anjara amin’izany i Madagasikara. Fotoana iray hihaonan’ireo manam-pahaizana amin’ny fizahantany rehetra maneran-tany io fotoana io ary hahafahan’ny Malagasy maka traikefa tsara. Ho maro ireo matihanina amin’ity sehatra no nasaina amin’ity tsenabe ity ka tsy tokony hataon’ny Malagasy ambanin-javatra izany fotoana izany.
« Ny ofisy nasionaly ny fizahantany sy ireo mpandraharaha ara-pizahantany isan-karazany no ho solontenantsika amin’ity tsenabe ity. Fotoana iray hampiakarana ny fahitan’ny olona antsika io. Tanjona hafa koa ny hampiroborobo ny fizahantany amin’ny alalan’ny fampahafantarana ireo toerana maro afaka haleha aty Madagasikara. Farany ny mahakasika ny mba hatsiarovan’ny firenena lehibe ny fisian’izany Madagasikara izany amin’ny taona maro ho avy », hoy ny talen’ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany.
« Ankasitrana ny firenena nanasa tamin’ity tsenabe ity satria fika iray hahafahana mampiakatra ny tahan’ireo mpizahatany tonga aty Madagasikara izany, hahafahana manatratra ireo tanjona rehetra napetraka, anisan’izany ny fampitomboana ho avo roa heny ny isan’ny mpizahatany amin’ny 2030. Mbola fikafika iray manampy ireo mpisehatra ihany koa, izay sahirana sy nikatso ny asa nandritra ny 2 taona tao anatin’ny covid-19 izay efa miverina tsikelikely amin’izao fotoana », hoy ny Minisitry ny fizahantany tamin’ny fanamafisana ny maha-zava-dehibe ity fotoana ity ho an’ny Madagasikara.
Maro ny sehatra hahafahana mampiakatra toe-karena eto Madaagsikara ary tsy ambakan’izany ihany koa anefa ny sehatry ny fizahantany izay anisan’ny andry voalohany amin’izany. Zava-dehibe ny fanatrehana izany tsenabe maneran-tany izany ka tokony hararaotina hitondrana tombontsoa betsaka ho an’ny Firenena. Ankoatra ny fampahafantarana ny olona ny ivelany izany rehetra izany anefa dia mila ampiana tosika ihany koa ny fampahafantarana an’ny Madagasikara ho an’ny Malagasy eto an-toerana.
Miora Raharisolo