ActualitésTsidika

Andro maneran-tany ho an’ny fizahan-tany : Mitohy hatrany ny hetsika fankalazana isam-paritra

Ho tontosaina ny 23 oktobra ho avy izao ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fizahan-tany ny ao amin’ny faritra Analanjirofo. Trano heva maro ho tazana mandritra izany, izay entina indrindra hampiratiana ireo vokatra avy any an-toerana. Eo ihany koa ny hisian’ny fampianarana sy ireo valan-dresaka hiaraha-mitady izay vahaolana maharitra entina hanarenana izany sehatry ny fizan-tany izany. Ny morondranomasin’i Mahambo Doany no handray ity lanonam-pankalazana isam-paritra ny andro manerantany ho an’ny fizahantany ity.

Marihina fa mbola tsy misokatra amin’ny fomba ofisialy ny sisi-tanin’i Madagasika ankehitriny raha toa ka nambara fa ny ity volana oktobra ity no hisokatra izany. Mijanona ho fanambarana fotsiny ihany izany, tsy mbola misy ny fampiarana.

Raha tsihahivina, efa neken’ny teo amin’ny « World Travel & Tourism Council » (WTTC) ho manaraka amin’ny fenitra takian’ny iraisam-pirenena ny fanajan’ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany ireo fitsipiky ny fahadiovana. Efa nisy ihany koa ny fahazoana fankatoavana avy amin’ny WTTC ka voasokajy ho isan’ireo firenena azo antoka ho an’ireo mpizaha tany i Madagasikara. Na eo aza izany rehetra izany, mbola mihidy hatrany sisintany hatramin’izao.

« Amin’ny fomba ahoana no ahafahana mankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny fizahan-tany nefa ireo mpisehatra amin’izany aza tadindomin-doza ? Mihen-danja amin’ny fanjakana ankehitriny ny sehatry ny fizahan-tany » hoy i Claudio, mpitari-dia. « Zava-poana ny hanokafana ny sisi-tany raha toa ka ampahany amin’ny vahoaka Malagasy ihany no nahavita vaksiny entina miaro amin’ny aretina. Miankina amin’ny fandraisana andrakitry ny tsirairay no handresena ny aretina fa tsy miankina amin’ny mpitondra velively, fahatongavan-tsaina manoloana ny loza hateraky ny fiparitahan’ny aretina » hoy i Fitia, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Aretina tsy ho foana eto amintsika intsony ny covid-19, ireo paik’ady entina miaro amin’izany no tokony himasoana sy hamafisina. Tsy tokony hanana hahihahy ny vahoaka manoloana ity aretina ity, antony goavana manaporofo fa azo sitranina ny aretina iray raha to aka nahita vaksiny fanefitra azy, anisan’izany ny covid-19 » hoy i Dr Honoré.

Fantatry ny maro amin’ny fambolena jirofo i Analanjirofo, izay mampiakatra an’i Madagasikara eo amin’ny laharana faharoa maneran-tany amin’ny fanondranana izany vokatra izany. Anisan’ny mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena, amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-bola, ny fanondranana entana. Nikatso tanteraka izany nadritra ny iray taona mahery, izany hoe tamin’ny fotoana nidiranan’ny valan’aretina covid-19 teto amin’ny firenena, ny taona 2020 lasa teo. Nihena vokatr’izany ny toe-karena, maro ireo orinasa nikatona maro ihany koa ireo tanora very asa vokatr’izany.

Efa maro ireo ezaka nataon’ireo mpisehatra manoloana ny fitakiana ny hisokafan’ny sisintany, saingy tsy mbola ahenoana daty na tetiandro raikitra izany, tsy laharam-pahamehana amin’ny fanjakana ve izany ity sehatra ity ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire