Mpitsao-ponenana ho any Mayotte tratran’ny mpiandro filaminana.
12 Oktobra, 09h17. Olona miisa enina amby efapolo nikasa ny hihondrana an-tsokosko ho any Mayotte no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Bemaneviky Ambanja andrefana. Fanondranana olona an-tsokosoko, kolikoly, fandehanana mivoaka sisin-tany tsy ara-dalana no hiampangana azy ireo. Tsihahivina fa nikasa ny hanome lelavola 13 tapitrisa ariary ho an’ireo mpitandro filaminana izy ireo handravonana ny raharaha.
