Dépêches

18 Mey : Tatitry ny filan-kevitry ny minisitra

19 May, 09h00. Nanamafy sy nanome torolalana ny fanofanana teknika sy arak’asa mba hanamoràna ny fananan’asa eto Madagasikara ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Nankatoavina nandritra izany ireo « Nouveaux Projets Emergents » an’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka entina hanatanterahanany velirano voalohany dia ny fametrahana fandriampahalemana maharitra sy manakaiky vahoaka. Ho tanterahina ny 16, 17 ary 18 jona ny Fihaonambem-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana izay tafiditra ao anatin’ny fanafainganana ny fametrahana ny drafi-pampandrosoana ny fambolena mba hiantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara.

Laisser un commentaire