Dépêches

Ivato: Fiara iray nifaoka fivarotana hani-masaka

19 May, 08h00. Fiara 4×4 iray nandeha mafy izay niala Moto no nanitsy avy hatrany tao amin’ilay mpivarotra hani-masaka teny Ivato. Nofaon’ilay 4X4 Daholo ny vitrine nisy lasopy sy ny menaka mamay ary rony be mangotraka. Olona 6 no naratra ary ny 1 tamin’izy ireo nosokirina tao ambany 4X4 izay tena naratra mafy. Nisy tamin’ireo naratra aza no main’ny menaka mamay.

Laisser un commentaire