Ambanja : Misokatra ny taom-piotazana lavanila maitso
19 May, 10h00. Nosantarina tao Ambanja ny 16 Mey 2022 teo ny fisokafan’ny taom-piotazana lavanila maitso. Napetraka ao Ambolikapily, kaominina Ambalahonko, any amin’ny distrikan’Ambanja ny tsenan-davanila arahi-maso na « marché contrôlé ». Fepetra samihafa no tsy maintsy hajaina toy ny fananan’ireo mpividy isan-tsokajiny karatra ahafahany manao ny asany. Tsy maintsy efa nandalo fitsarana ireo fitaovam-pandanjana rehetra ampiasaina ao an-tsena. “Voatazona ny vidy farany ambany amin’ny kilaon’ny lavanila maitso ho 75 000Ar”, hoy ny Talem-paritra DRICC Diana.
