Dépêches

Tovolahy iray, 15 taona no tratran’ny fokonolona nangalatra omby omaly 14 febroary tao Amboditandroho Mahasoa Toamasina II.

15 febroary, 12h00. Omby iray no nentiny nitsoaka ka nifanenjehan’ny fokonolona nanomboka tamin’ny 10 ora maraina ary tsy azo raha tsy tamin’ny 01 ora atoandro. Niharan’ny fitsaram-bahoaka izy talohan’ny nanolorana azy tany amin’ny mpitandro ny filaminana. Efa za-draharaha io tovolahy io raha ny volazan’ny olona. Efa omby efatra no tsy hita popoka tao an-toerana, trano maro ihany koa no efa vaky ka entana toy ny vilany, vilia ary vola no roban’ireo olon-dratsy amin’izany. Ankehitriny, tra-tehaka ny lehilahy izay ahiana ho anisany tompon’antoka amin’ireo tranga voalaza ireo, ary efa eo ampelataann’ny mpitandro ny filaminana.

Laisser un commentaire