Ukraine : Nangataka filaminana teo no ho eo tamin’i Moscou i Olaf Scholz
Nangataka tamin’i Russie nanao sonia teo no ho eo ny filaminana talohan’ny nandehana tao Kiev sy Moscou ny chancelier an’i Allemagne Olaf Scholz. Fiezahana hamehezana ny loza mety ateraky ny fanafihan’i Russie an’i Ukraine no anton’io dia io. Efa tena miharatsy mantsy ny fifanenjanana misy eo amin’i Russie sy Ukraine ary tsy mbola nisy tahak’izany hatramin’ny niafaran’ny ady mangatsiaka. »Miandry an’i Moscou hanao sonia izahay » hoy izy, ary nanamafy izy fa ho henjana ny sazin’i Russie raha manao fanafihana vaovao izy. Efa nandefa miaramila an-tapitrisany eo amin’ny sisin-tanin’i Ukraine nefa i Russie, raha ny voalazan’ireo manam-pahefan’i Ukraine tamin’ny fomba ofisialy.
