ActualitésTsidika

Fihibohana anaty hotely : Ilaina ny manaraka fandaminana

Hotely efatra no noesorina tsy ho isan’ny mpandray olona avy any amin’sisin-tany izay tafiditra eto Madagasikara ka hanao ny fihibohana, ny faran’ny herinandro lasa teo. « Misy amin’ny hotely no tsy manaraka ny fepetra fa avy hatrany dia mandefa ny vahiny kanefa mbola tsy miandry ny 5 andro hihibohana akory », raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray. « Misy ihany koa ny vahiny miantso tobim-pahasalamana tsy miankina hanaovany ny fitiliana faharoa », hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.

Natokana handray sy hampiantrano ny vahiny na mpizaha tany avy any amin’ny sisin-tany ka tonga eto Madagasikara ireo hotely voatondro manokana ireo. « Mazava hoazy fa ny tsy fanajana ny fepetra sy fifanarahana rehetra dia mitarika amin’ny fanatsoahana ny fahazoan-dalana handray vahiny », hoy ny fanazavan’i Docteur Randriantsarafara Fidy, tale ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana. Tsy maintsy mampandre ny fanjakana ny hotely iray raha toa ka efa nivoaka ny toerana ny mpivahiny nihiboka tao mialohan’ny fahazoana ny valin’ny fitiliana PCR. « Tsara hajaina ny fe-potoan’ny fihibohana ka 24 ora hatramin’ny 48 ora ho an’ny sidina eto an-toerana. Ary ho an’ny avy any ivelany, dimy andro ny fihibohana », hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Manomboka ny 6 novambra ho avy izao, miova ho 24 ora hatramin’ny 48 ora ny fe-potoana hihibohana.

Tsiahivina moa fa ny volana oktobra no nanambara ny teo anivon’ny ministeran’ny fizahan-tany amin’ny fisokafan’ny sisin-tanin’i Madagasikara. Taorian’io filazana io, niditra tsikelikely teto an-toerana ny Malagasy sy vahiny avy any ivelany. Tsy maintsy mandalo fitiliana avokoa ny rehetra ary tsy maintsy mihiboka sy miandry valin’ny fitiliana izay vao afaka mivoaka ny hotely nandray azy. Manoloana izany anefa, mbola ahiana hatrany ny fisian’ny valan’aretina mety ho entin’ny olona tafiditra eto. Efa nisy moa ny tranga roa izay hita, misy ihany koa ny tranga maro hafa any amin’ny faritra.

Mila mandray ny andraikiny ny tsirairay amin’ny fepetra ara-pahasalamana ho fiarovan-tena. Tsy ampy ny fanentanana amin’ny fanaovana vakisiny, ary vitsy ny voasarika hanao izany. Kanefa ilaina ny vakisiny mba hiarovana amin’ny fiparitahan’ity aretina ity.

Andy Rafidimanana

Laisser un commentaire