Ambohimanga Rova : Tagnamaro ho an’ny fandriampahalemana
Mitohy hatrany ny hetsika tagnamaro ho an’ny fandriampahalemana ao amin’ny kaominina Ambohimanga, entina hampihenana ny tranga tsy fandriam-pahalemana. Tsy maharaka mantsy ireo mpitandro filaminana ary mila ny fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny tompon’andraikitra isam-pokontany amin’ny famongorana ny ratsy.
« Tsy afaka ny hanao na inona na inona izahay raha tsy miara-miasa amin’ny vahoaka. Tena ilaina ny fiaraha-mientana mba hisian’ny filaminana hiarovana ny tanàna » hoy ny mpitandro filaminana. « Manjaka mihitsy ny tsy fandriam-pahalemana eto. Vao tsy ela akory izay no nisy tokantrano voatafiky ny jiolahy miisa 8 be izao teto Ambohitsaratelo Ambohimanga Rova. Tonga ara-potoana anefa ny Zandary raha vao naharay antso. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny fitaovana very nandritra izany » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.
Hiasa ho an’ny vahoaka ny mpitandro filaminana. Tsy afaka ny hiasa anefa izy ireo raha tsy misy ny vaovao avy amin’ny vahoaka. Tsara foana ny mampandre ara-potoana ny mpitandro filaminana raha misy ny tranga tsy fandriam-pahalameana.
Nicole Rafalimananjara
