Alasora: Manaitra ny tomponandraikitra ny mponina manoloana ny tsy fandriampahalemana
Mitaintaina manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ireo mponina ao Alasora amin’izao fotoana izao. Ny faran’ny herinandro teo, nahenoana feom-paobasy, ary nahitana ra ny lalana akaikin’ny EPP Ambatomalaza.
“Mila mitandrina ireo mponina fa tena mampatahotra raha ny tsy fandriampahalemana eto Alasora amin’izao fotoana izao. Raha mbola azo atao dia aleo sorohana bny fivezivezena sy ny fandehanana amin’ny alina satria tena efa maro ny olon-dratsy ary tsy matahotra ny mandatsak’aina izy ireo” hoy i Nini, mponina ao Alasora.
“Tsikaritra mihitsy tato ho ato ny firongatry ny tsy fandriampahalemana raha teto Alasora. Miseho avokoa na faty olona, na vaky trano na fanafihana cashp point na fifanenjehana amin’ny jiolahy. Mila jeren’ny tomponandraikitra manokana satria mandry tsy lavo loha, mitaintaina lava ny mponina” hoy i Tiana, tompona tsenam-barotra iray.
Tsy mbola fantatra mazava izay tena zava-misy niseho tamin’ity toerana ity. Miandry ny fanadihadiana ataon’ny tomponandraikitra ny mponina araka izany.
