ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Mpanjifa manodidina ny 160 isa no nisoratra anarana hisitraka ny servisy Raoka fako

Nandritra ny andro voalohany, nanatanterahana ny fanentanana, mahakasika ny fampiharana na fampidirana ny servisy Raoka fako ao amin’ny fokontany Ampahimanga Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo, dia hita sahady ny fahavonona’ireo mponina amin’ny fanjafana ireo tolotra. Ho an’ny andron’ny alakamisy nanaovana ny fanentanana, nahatratra manodidina ny 160 isa ireo mponina nisoratra anarana amin’ny fanjifana ireo tolotra, araka ny voalaza.

“Taorian’ny fotoana kely niarahana tamin’ny ben’ny tanàna mahakasika ireo vokatra takiany dia niroso avy hatrany tao amin’ny faritra ambany lalana Ampasika ireo mpanentana avy amin’ny servisy Raoka fako. Tsy vitan’ny fanentanana fa nisy ireo fitarainana nataon’ireo mponina avy amin’ny faritra ambany amin’ny tsy fanajana ataon’ireo avy amin’ny faritra ambony amin’ny resaka fanariana fako”  hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Ny vahaolana enti-mamaha ny olan’ny fako ety amin’ny fokontany ny fidiran’ny rehetra ao anaty servisy ihany. Ho an’ny andro voalohany teto amin’ny fokontany Ampahimanga dia tena nahafapo ny fanentanana satria mpanjifa miisa 158 sahady no nisoratra anarana hanjifa ny tolotra raoka fako” hoy hatrany ny fanazavana.

Raha tsiahivina moa, ny fokontany Ampahimanga no fokontany fahatelo hisitraka ity servisy ity. Ity fokontany ity ihany koa izay ao anatin’ny sokajy A, izay toerana be mponina sy mamokatra fako be indrindra, ao anatin’ny kaominina.

Laisser un commentaire