Sabotsy Namehana: Anisan’ireo vohitra eto Imerina manana ny tantarany
Namehana dia vohitra iray ao avaradrano, isan’ireo tendrombohitra 12 masina teto Imerina. Nanomboka tamin’i Andrianjaka, mpanjakan’i Antananarivo no nisian’ny tanàna voalohany teo ka i Ramahazakafoloarivo no napetrany voalohany ho andriana tompo-bodivona teo. Araka ny voalaza, efa tamin’izany vanim-potoana izany no nisian’ireo hadivory mankadiry mamefy ny faritry ny rova ankehitriny. Taona maro taty aoriana, dia nanapa-kevitra ny honina eny Namehana indray i Andriampeno Andriambolanambo, zanak’i Andriantomponimerina voalohany, mpanjkan’i Ambohidratrimo, zanak’i Andriamasinavalona mpanjakan’Imerina efa-toko.
Andriambolanambo moa dia nanambady an’i Rasoherimananintany tamin’ny voalohany kanefa taty afara, dia nangatahin’i Andriambelomasina Mpanjakan’Ambohimanga ho vady i Rasoherina noho ny hatsaran-tarehy nananany. I Rasoherina Reniny moa dia Reniben’i Andrianampoinimerina ary razamben’ireo atinandriana rehetra eto Imerina.
Rasoherimananitany moa dia zanak’i Rasoherina Reniny nantsoina ihany koa hoe Ramanitrandriatsimitovy, vavimatoa an’i Ranavalotsimitoviaminandriana avy ao Anosimanjaka.
Anisan’ny tantara hahatadiavana an’i Andriambolanambo ihany koa dia ny hasina lehibe izay nanan’ity andriandahy. Raha tonga ny andro fahavaratra, dia nitaraina taminy ny vahoaka fa tsy manana vary maina sy kitay maina. Ary tsy misy andro mihiratra mihitsy mba hanahazana azy ireo. Dia nanapa-kevitra i Andriambolanambo hibaiko ny andro, ka noteneniny daholo ny vahoaka hamoka ny variny sy ny kitay fa hivoka hitanin’andro izy. Dia nivoka nitaninandro teo ambodin’amontana izy ary nilalao fanorona niaraka tamin’ireo olombe teo amin’ny fanjakany. Rehefa tonga ny hariva, dia noteneniny indray ny vahoaka mba ampiditra izany vary sy kitay izany fa hody izy. Ary nony tonga tao amin’ny lapany dia avy nirotsaka be ny orana. Andriambolanambo no nazahoana ireo fefiloha rehetra hitantsika ankehitriny eo Namehana.
Maro ny sokajin’olona hita eo Namehana sy ny manodidina. Tsimiamboholahy no maro an’isa eny, fa ireo taranak’i Andriambolanambo sy ny fianakaviana kosa dia zara fa tazana eny. Ny fikarohana nataon’i R. CABANES dia milaza fa ny ankamaron’ireo foko mainty eo Namehana ankehitriny dia avy amin’ireo foko tranainy Tsiarondahy, mpanompon’andriana fahiny.
Koja Kids – Loc, Terak’i Namehana, mpianatra momba ny fizahan-tany
