ActualitésTsidika

Ambohimanga rova : Nisy ny fanolorana fanomezana ho an’ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria

Nisy ny fanolorana fanomezana ho an’ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria, ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova, ny fiandohan’ny herinandro teo. Fanomezana indroa miantaona no natolotra azy nandritra izany, raha ny voalaza.

«Tretrika, henin-kaja, henin-kafaliana ny lehiben’ny tobim-paritra Ambohimanga rova sy ireo zandary mpiara-miasa aminy satria dia fanomezana roa sosona no azon’izy ireo. Lelavola mitentina roa tapitrisa ariary entina hanavaozana sy hanatsarana ny birao fiasana sy ny manodidina izany avy amin’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona ny Jeneraly Richard Ravalomanana » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanomezana solosaina, imprimante avy amin’ny mpitantana sady mpamorina ny orinasa LCS» hoy hatrany ny fanazavana.

Mendrika fanohanana sy fankaherezana hatrany ny mpitandro filaminana manoloana ny asa sahanin’izy ireo isan’andro. Mitaky vokatra sy fiovana eo amin’ny fiaraha-monina anefa izany mba ahitana taratra ny fandraisana andraikitr’izy ireo hatrany.

Laisser un commentaire