ActualitésTsidika

Fitaterana : Mitazona ny fiakaran’ny saran-dalana 100% ny UCTU

Nanamafy indray ny avy ao amin’ny UCTU fa hiakatra 100% ny saran-dalana ho an’ny fitaterana eto an-drenivohitra. Miandry ny fankatoavana avy amin’ny fanjakana anefa vao misy ny fiakaran’ny saran-dalana.

« Tsy maintsy hihakatra 100% ny saran-dalana raha vao misy ny fiakaran’ny vidin-tsolika » hoy i Randrianatoandro Lova, filohan’ny UCTU. « Tsy maintsy misy fifampidinihana amin’ny fanjakana vao misy ny fanapahan-kevitra farany. Ny fanjakana dia tsy maintsy mitsinjo foana ny tombontsoan’ny vahoaka maro anisa » hoy ny avy ao amin’ny ATT. 

Ny ATT noho izany no tompon’ny teny farany amin’ny fampiakarana ny saran-dalana. Etsy ankilany, efa manomana ny sainy handeha tongotra ny ankamaroan’ny mponina noho izay fiakarana avo roa heny izay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire