SocialTsidika

Toetr’andro : Hanalavitra ny masoandro ny tany

Hangatsiaka kokoa noho ny teo aloha ny andro noho ilay antsoina hoe « Aphelion ». Izany dia nanomboka ny 28 jona tamin’ny 05:27 maraina hatramin’ny 22 Aogositra 2022.

« Hanalavitra ny masoandro ny tany. Tsy hitantsika ny trangan-javatra fa tsapantsika ny fiantraikan’izany. Haharitra hatramin’ny volana aogositra 2022 ity tranga ity. Hangatsiaka kokoa noho ny andro mangatsiaka hatrizay isika » hoy ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. « Hisy fiatraikany ara-pahasalamana io hatsiaka be io, toy ny gripa, kohaka, sempotra. Ilaina foana ny manao mafana sy mihinana sakafo mampitombo ny hery fiarovana » hoy i Dokotera Manitra.

Ny fisotroana zavatra mafana sy fihinanana vitamina na fanampin-tsakafo betsaka hery fiarovana no isan’ny manampy betsaka amin’ny fahasalamana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire