Ambohimangakely : Notolorana fanomezana ny Akany Fitiavana Ikianja
Nanolotra fanomezana ho an’ny Akany Fitiavana Ikianja Ambohimangakely ny avy amin’ny. AFF (Andry Fototra ho an’ny Fampandrosoana) ny faran’ny herinandro teo. Nahazo ny anjarany avokoa na ny ray amandreny na ny mpianatra na ny mpampianatra tao an-toerana, raha ny voalaza.
« Boky, fitaovam-pianarana, masom-boly ary fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinana CEPE no natolotra tety an-toerana. Nisy ihany koa ny vary ho an’ny fampisakafoana an-tsekoly » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.
« Tsy adinoina ihany koa ny fametrahana ny maison du livre, izay toerana hametrahan’ireo mpianatra ny boky hampiasain’ny mpianatra. Izany moa no tanteraka dia teo ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa sy fikambanana isan-karazany » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny hery manohana ny akany ny fanolorana fanomezana tahaka izao. Ny akany izay ivon-toerana mila fanampiana sy fanohanana ara-pitaovana, ahafahan’izy ireny mampivoatra ny ankizy taizana ao.
Manitra R.
