ActualitésTatitra

Etats-Unis : Fiaramanidina iray no nirehitra rehefa nifandona tamin’ny vorona

Fiaramanidina Boeing 737-800 ny orinasa American Airlines no nirehitra rehefa nifandoana tamin’ny vorona ny 23 aprily teo. Niteraka fahamaizan’ny « réacteur » ilay fiaramanidina nefa izany ka voatery niato tao amin’ny seranam-piaramanidina tao Colombus ilay Boeing 737-800.

Mpandeha 173 isa ny tao anatin’io fiaramanidina io saingy tsy nisy ny aina nafoy. Niteraka fikorontanana tao anatin’ny fiaramanidina nefa ilay tranga, raha ny fanazavana. Marihina fa tsy vao voalohany ity tranga ity, telo andro tao alohan’izany dia fiaramanidina iray ny orinasa American Airlines ihany no voatery nipetraka an-tanenty rehefa nirehitra fotoana vitsy monja taorian’ny fiaingana tao amin’ny seranam-piaramanidina tao Charlotte, Caroline du Nord.

Laisser un commentaire