Ambohimanambola: Lehilahy iray maty voatsatoka antsy vokatry ny fanafihana
Nisehoana fanafihana mampihorin-koditra indray tao amin’ny tokatrano iray, tao Ambohitrony, kaominina Ambohimanambola, ny alin’ny alarobia teo. Raim-pianakaviana ireo no maty voatsindrona antsy nandritra ny fanafihan’ireo olon-dratsy, araka ny voalaza.
« Ny alin’ny alarobia, manodidina ny tamin’ny 08 ora no nanafika tokatrano iray ireo jiolahy. Tamin’izay no notsindromin’izy ireo antsy ny loha sy ny tenda ary ny kibon’ilay raim-pianakaviana » hoy i Laingo, mponina teo amin’ny manodidina.
« Tena tsy milamina intsony ny tanàna, indrindra nanomboka tamin’ny nifindran’ny CP teo aloha toerana. Tsy misy fandriam-pahalemana intsony ety ary mandry tsy lavo loha ny mponina. Angatahana indrindra ny tomponandraikitra mba hijery akaiky ny zava-misy » hoy i Dina, mponina ao Ambohimanambola.
Ny fahenoana kiririoka sy antsoantso nataon’ireo manodidina no nanaitra ny mponina nandritra ity tranga ity. Tsiahivina, fa tsy mbola ampy iray volana izao no nitrangan’ilay fanafihana nahafaty raim-mpianakaviana ihany koa tao Amnohipeno Amnohimanambola ihany. Mbola eo am-panaovana ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ny mpitandro filaminana.
Manitra R.
