ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Tonga eny amin’ireo mpanjifa ny jiro mora

Taorian’ny fanatanterahana ireo dingana maro ho fampisitrahana ny jiro mora, ho an’ireo mponina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, dia niroso tamin’ny fametrahana izany isam-baravarana ireo tomponandraikitra avy amin’ny jirama, ny herinandro lasa teo.

« Efa nanomboka tamin’ny herrinandro lasa teo ny, fametahana ny jiro mora ary mitohy izany amin’izao fotoana. Efa mitety fokontany 18, atoa anatin’ny kaominina ireo tomponandraikitra.  Marihana anefa, fa arakaraky ny lisitra mivoaka no hametahana izany, ho an’izay efa nafeno fepetra nefa mbola tsy ao anaty lisitra ny anarana amin’ity lisitra voalohany ity dia mbola hisy ny lisitra faharoa » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka ho fampisitrahana hazavana ho an’ny mponina. Efa iaraha-mahafantatra ny fahasarotan’ny fampidirana jiro amin’izao fotoana, maro ireo mbola miaina anaty haizina ka anisan’ny vahaolana maharitra ho an’ny madinika izao » hoy i Clarisse, mponina ao Ambohimangakely.

Araka izany dia ireo nahafeno ny fepetra, tamin’ny fisoratana anarana natao no misitraka amin’ity andiany voalohany ity.

Laisser un commentaire