Lakozia: Fanamboarana ny paty gasy
Anisan’ny sakafo, lasa mahazatra ary tsy misaraka amin’ny andavan’andron’ny olona amin’izao fotoana izao ny paty. Mety hiseho amin’ny karazan-tsakafo maro ny fomba fihinana izany. Misy ireo paty vita gasy ary misy ireo vita vahiny izay hafarana avy any ivelany. Feno karazany eto amintsika. Fa anatin’ny torohevitra amin’ny lakozia, hitondrana ny fomba fanamboarana ireny paty ireny. Tsotra, mora hatao ary tsy mandany fotoana ny fanamboarana azy.
Dingana voalohany atao dia ny fikarakarana ny paty. Mila lafarinina, atody, menaka, sira, ary rano matimaty kely; ny fatra ilaina dia arakaraky ny filàn’ny olona hanamboatra azy.
Atao anaty vilia jobo ireo fangaro rehetra ireo. Rahefa izany, afangaro amin’ny tanana mba hahazo paty bolongany, atao izay hampalefaka azy tsara fa tsy tokony hiraikitra (be rano) na mafoaka (tsy ampy rano).
Rehefa vita bolongany io dia mila ireny fitaovana fanamboarana paty jaune ireny mba hahazoana ilay paty misaritaka amin’izay.
Dingana faharoa, rehefa avy nampadalovina fitaovana ilay paty dia miroso amin’ny fanamasahana azy mba ho lasa paty azo tahirizina. Mila vilany sy sivana indray eto. Atao anatin’io sivana (passoir) io ilay paty. Etsy ankilan’izay, hataingina ambony afo malefaka ny vilany misy rano kely. Avy eo tsy maintsy asina lovina tsato-katy ao ambany mba an’elanelanana ilay paty andrahoana mba tsy ho tratran’ny rano; izany hoe atao masak’evoka mandritra ny 5 minitra ao ny paty dia vita.
Aorian’izay no hatapy ambony tahalaka maina ireo paty avy ao am-bilany.
Azo tahirizina, ampiasaina amin’ny sakafo izay tiana ny paty avy eo.
Manitra Ramanantsoa
