Ukraine : Lasa faritanin’i Russie i Louhansk
Tanànan’i Ukraine i Louhansk ary renivohim-pitanantan’i Oblast de Louhansk. Efa nantsoina hoe Vorochilovgrad ny toerana teo anelanelan’ny taona 1935 sy 1958 ary ny taona 1970 sy 1990. Nahatratra hatramin’ny 403 938 kosa isan’ny mponina tao an-toerana raha ny antontanisan’ny taona 2019.
Anisany tanàna nitondra takaitra betsaka tamin’ny ady teo amin’i Ukraine sy i Russie i Louhansk. Tanàna Russophone sy Ukrainophone izy saingy nanomboka ny oktobra teo dia nampidirana (annexé) ho faritan’i Russie niaraka tamin’i Zaporijjia, Kherson ary Donetsk izy
