ActualitésTsidika

Fampiofanana : Mpivarotra hani-masaka 40 nahazo fampitomboana fahaiza-manao avy amin’ny INTH

Mpivarotra hani-masaka miisa 40 avy ao amin’ny toeram-pisakafoanan’ny tsena Zaimaika, Soamanatombo ary Mahamasina no nisitraka fiofanana manokana momba ny paikady rehetra amin’ny fandrahoana sakafo manaraka ny fenitrin’ny fahadiovana sy fahasalamana avy amin’ny INTH. Naharitra 4 herinandro ny faharetan’izany fampiofanana izany ary notolorana mari-pankasitrahana avokoa.

« Ho fampidirana ireo mpisehatra ireo amin’ny tontolon’ny maha matihanina azy ireo no antony lehibe nanomezana azy ireo izany fampiofanana izany. Ilaina ny manana ireo fahalalana ireo raha te hahomby indrindra raha te hisintona mpanjifa vaovao sady betsaka », hoy ny avy ao amin’ny INTH.

« Mahafinaritra kosa ity ezaka iray ity. Fandraisana andraikitra goavana miantoka ny fahasalaman’ny maro izao atao izao. Hisaorana aloha ny kaominina amin’izany satria azo lazaina ho entina hiarovana anay mpanjifa ilay hetsika », hoy i Sylvanno, mpanjifa ao amin’ny Zaimaika Analakely.

Ankoatra ziany dai nahazo fampiofanana mahakasika ny vonjy taitra sy ny fisorohana ny trangan’ny firehetana ihany koa ireto mpivarotra ireto. Tsy hijanona eo ihany anefa izany hetsika izany fa mbola hiampy 90 ireo mpivarotra hisitraka izany fanampiana izany. Marihina fa fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Sampana Mpamonjy Voina CUA, ny INTH ny FHORM, ny Ministeran’ny Fampiofanana ara-teknika sy arak’asa izao tetik’asa izao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire