ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpivarotra mahakasika ny fahadiovana sy fanadiovana

Ao anatin’ny fanentanana sy fandrindrana ny lafin’ny fahadiovana sy ny fanadiovana ny ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nisy ny fivoriana izay notarihin’ny avy ao amin’ny kaominina, ny faran’ny herinandro teo, izay niarahana tamin’ireo mpivarotra ao an-toerana mahakasika ny fahadiovana. Voakasiky ny fanentanana indrindra ireo mpivarotra amoron-dalana, nandritra izany.

“Niaraha-nanapaka nandritra ny fivoriana ny vahaolana sy ny fepetra ho raisina entina manatsara ny fitantanana ny fako sy ny rano maloto avy nampiasaina. Voaresaka indrindra ny fifampitaizana sy ny fanovana ny toe-tsaina ho tia fahadiovana izay taratry ny fandrosoan’ny tanàna miainga amin’ny isam-batan’olona” hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Fepetra tokony takiana amin’ny mpivarotra amoron-dalana ny fanajana ny fahadiovana. Manana andraikitra ireo mpivarotra hanadio ny manodidina ny toeram-pivarotana ary manana toerana fanarim-pako ara-dalàna sy fandefasana ny rano maloto” hoy I Joro, tomponandraikitra misahana ny fahadiovana sy fanadiovana.

Anisan’ny olana mahatonga ny fako miparitaka sy ny fahatsetsenan’ny lakan-drano isan-karazany ny tsy fahampian’ny fanentanana tahaka izao. Ilaina ihany koa anefa ny mirotsaka an-tsehatra manara-maso ny hetsika vokatry ny fanentanana mba hisian’ny fitohizan’ny fandraisana andraikitra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire