Inona avy no asa vitan’ireo Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina nandritra ny roa taona mahery ?
Tsy niova tamin’ny toerana naha Ministry ny serasera sy ny kolontsaina i
Lalatiana Andriatongarivo. Betsaka ny asa vitany matoa mbola voatazona izy
raha ny fanazavana azo. Isan’ireo Minisitera faravavy teo aloha amin’ny
filaharana arak’arofenitra ary lasa vavy evo ankehitriny. Inona avy no
vitany ?
Isan’ny ezaka nataony ny famoahàna ny lalàna mifehy ny tontolon’ny searsera
sy ny kolontsaina izay niaraha-namolavola tamin’ireo mpisehatra rehetra.
Teo ihany koa ny fametrahana ny « Tagnamaro » ao anatin’ny kolontsaina
raiki-tapisaka ka nahavitana foto-drafitrasa maro be amin’ny alalan’ny
fifanomezan-tànan’ny olom-pirenena. Ary tsy izay ihany fa ny fametrahana ny
fanjakana manakaiky vahoaka amin’ny alalan’ny fananganana ny IVOTORO na ny
« call center étatique » » rehetra ilaina amin’ny fanaovana
taratasim-panjakana amin’ny fiantsoana ny 640), eo ihany koa ny «
Exposition étatique » natao ny septambra 2019. Anisan’ny tetik’aa nataony
ihany koa ny fametrahana fanofanana mpanao gazety matihanina izay efa
namoaka andiany voalohany sy ny fametrahana fanofanana matihanina ny «
animateurs radio et TV ». Ary indrindra ny fametrahana ireo Tranoben’ny
Serasera sy ny Kolontsaina renivohi-paritany 5 sy fotodrafitr’asa hafa
vaovao. Betsaka ihany koa ny harem-bakoka vaovao nohavaozina sy ny hetsika
ara-kolontsaina maro.
Rehefa matanjaka tokoa mantsy ny seraseran’ny fitondrana dia matanjaka ho
azy ny fitondrana. Inona anefa no tena mbola aretin’ny serasera sy ny
kolontsaina eto amintsika ka mila havaozina izay sakana amin’izany sehatra
izany ? Efa ilay tena tsy ampy sy nilaina tokoa ve ireo natao ?
Nicole Rafalimananjara
