ActualitésTsidika

Alasora: Mitohy ny fisafoana ataon’ireo zandary

Manoloana ny trangana tsy fandriam-pahalemana niseho tato ho ato tao amin’ny kaominina Alasora sy ny manodidina, dia nirotsaka an-tsehatra ireo avy amin’ny tobi-paritry ny zandarimaria ao Alasora manatanteraka fisafoana amin’ny alina.

 » Miezaka hatrany ny zandary amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna. Ao anatin’ny asa sahaniny moa ny hoe miaro ny vahoaka sy ny fananany ka izay no hanaovana ny hetsika hatrany. Hanenjehana ihany koa ireo olon-dratsy » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Ny angatahana sy ny hirariana moa izany dia mba hisy ary hitohy foana ny hetsika fisafoana fa tsy rehefa misy tranga izay vao mirotsaka an-tsehatra. Efa tena maro ny olon-dratsy ary tsy mitsitsy ka tena mihorohoro andro aman’alina ny vahoaka » hoy i Laza, tompona tsenam-barotra.

Nanampy isa andaharana ny zandarimaria ao Alasora moa ireo zandary avy ao Ankadilalana manoloana izay tsy fandriam-pahalemana izay hatrany. Tsiahivina fa, vao tamin’ny faran’ny herinandro teo moa no nisehoana fanafihana tao an-toerana ary namoizana ain’olona tsy manan-tsiny. Raha misy moa ny tranga mampiahiahy ny mponina dia azo atao ny miantso ny zandary amin’ny laharana 0341400954.

Manitra R.

Laisser un commentaire