ActualitésTsidika

Fanatanjahantena: Hisitraka fampiofanana ireo mpilalao Rugby vehivavy

Hampiroboroboana ny taranja baolina lavalava eto amin’ny faritanin’ny Afrika dia anisan’ireo firenena miisa valo hisitraka ny fampiofanana ny mpilalao rugby vehivavy Malagasy. Miisa 7 ireo firenena hafa no hisitraka izany fampiofanana izany ihany koa dia i Tunisie, Sénégal, Côte d’Ivoire, Togo, Burkina Faso, Ouganda, ary i Kenya.

“Ny tanjona lehibe amin’ity tetik’asa ity di any hampiroborobo ny taranja baolina lavalava aty Afrika. Fiaraha-miasan’ny Rugby Afrique sy ny Agence Francaise de Développement izany. Fotoana iray fanararaotra hahafahana mitrandraka zava-baovao ho an’ny mpialalao Malagasy izany satria dia mpampiofana avy amin’ny Fédération Française de Rugby sy ny Rugby Afrique mihitsy no hanolotra izany fampiofanana izany », hoy ny Federasiona Malagasy ny rugby.

Etsy andaniny dia hampiantrano ny CAN Rugby à XV 2023 i Madagasikara amin’ny sokajy vehivavy izay hatao ny 19 hatramin’ny 29 mai izao. Anisan’ny fotoana iray netina hampisehoana ny fahaiza-manaon’ireto mpilalao Malagasy ireto izany ary hahafahana ihany koa mahita ny lesoka izay tokony hototofana amin’ny fampiofanana. “Mandritra izany fotoana izany ihany koa no hahafahana mamaritra ireo ekipa roa avy aty Afrika hiatrika ny tompondaka eran-tany antsoina hoe “World rugby WXV 2023”, hoy ny mpanazatra ny Ladies Makis.

Tsara ny manamarika fa tena mivoatra tanteraka ny taranja baolina lavalava sokajy vehivavy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, raha tsy hiteny afatsy ny fiatrehan’izy ireo ny lalao hiadiana ny ho tompondaka eran-tany ny taona 2020 teo. Amin’izao fotoana izao dia efa miomana ho amin’ny Fiadiana ny ho tompon-dakan’ny Afrika indray izy ireo.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire