France : Mpianatra iray no maty teo am-panalàna fanadinana bakalorea
Mpianatra iray 19 taona no namoy ny ainy tampoka tao amin’ny lisea Gaston Berger tao Lille. Ny talata teo no niseho ity tranga ity nandritra ny fanadinana bakalorea STMG (sciences et technologies du management et de la gestion). Teo am-panaovana ny adina an-tsoratry ny taranja « économie-droit » ity tovolahy iray ity no nisy olona ny fony (malaise cardiaque).
Mpianatra 70 isa hafa kosa no nahita ny tranga. Nanameloka izy ireo fa tsy nisy ny fandraisana andraikitra haingana noraisini’ireo mpanaramaso valo ny fanadinana manoloana ny zava-niseho. Manoloana izany dia namoy ny ainy ilay tovolahy rehefa tonga tany amin’ny hopitaly.
Raha ny fanazavan’ny fianakaviany kosa dia efa narary ny « cardiopathie sévere» io tovolahy ary efa 5 taona teo sisa no vinavinan’ny fe-potoam-pivelomany. Mpitsabo tao amin’ny CHR tao Lille kosa no nikarakara ny fahasalamany ary efa nandidy azy manoloana ny fametrahana « pacemaker » tao anatiny.
