Anjeva: Hahazo rano fisotro madio tsy ho ela ny amin’ny fokontany
Nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rano, ny andron’ny 22 Martsa, ny tao amin’ny kaominina Anjeva gara. Nisy araka izany ny fanaovana tombana amin’ireo tetikasa fampidirana rano fisotro madio, ho an’ny isam-pokotany tao an-toerana.
« Anisan’ny tetik’asa lehibe atao ety an-toerana ny hampiditra rano fisotro madio isam-pokontany. Amin’izao fotoana izao, efa mitsangana ny toerana fakana rano 11 isa, efa mipetraka ihany koa ny fantsona fakana rano amin’ny fatsakana ary efa mamarana ny asa fanamboarana ny bassin fitahirizan-drano izay mahatratra 20m3 » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva.
« Miezaka mampiditra rano fisotro madio amin’ny fokontany roa isan-taona ny kaominina. Izay tsara manamarika fa efa misy fokontany enina misitraka rano fisotra madio amin’izao fotoana. Ny teti-bola enti-manatanteraka izany izay avy amin’ny fiaraha-miasa sy famatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka » hoy hatrany ny fanazavana.
Tsy ho ela araka izany dia hisitraka rano fisotro madio avokoa ireo mponina isaky ny fokontany ao amin’ny kaominina Anjeva. Amin’izao fotoana moa dia ny asa fampidirana rano amin’ny fokontany Manohisoa sy Anjeva gara no ataon’ny tomponandraikitra.
Manitra R.
