Sakafo : Sakafo matsiro, tsy sarotra amboarina ny « Tacos »
Sakafo be mpankafy ary misy mahasahy mividy lafo mihitsy aza nny tacos. Azo atao tsara anefa ny manamboatra tacos ao an-trano indrindra ho an’ny fianakaviana maro an-trano, tsy te handany vola any amin’ny trano fisakafoanana. Andeha isika hikarakara tacos miaraka amin’ny hen’omby atono.
Inona avy no taharo ilaina ? Mila menaka 2 sotro, nofoken’omby, tongolo 1, voasarimakirana 2, sira 1 sotrokely, dipoavatra 1 sotrokely, coriandre maromaro, dibera tapany ary maïs doux.
Tetehina manify ny hen’omby ary atao anaty lapoaly ambony afo. Manomboka endasina amin’ny menaka amin’izay ilay hena. Asiana atsasak’ilay tongolo ilay izy avy eo. Avela ho mendimendy tsara. Etsy an-kilany, efa atao ao ny saosy amin’ny sira sy dipoavatra. Rarahina ranom-boasarimakirana ilay hena ary tohizana foana ny fandrahoana azy. Atao ao anaty lapoaly hafa ilay dibera ary araraka ao ilay katsaka. Avela mangatsiaka daholo amin’izay izy rehetra. Fonosina ao anatin’ilay coriandre avokoa izy rehetra. Asiana tongolo manta kely sy citron kely miaraka aminy.
Vita ny tacos tena matsiro, mahatoraka lavitra ireny any amin’ny hotely ireny.
Nicole Rafalimananjara
