ActualitésTsidika

Fananan-tany: Hisy ny hetsika fizarana karatany faobe manerana ny Nosy

Hanatanteraka hetsika ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany hahafahana mizara ireo kara-tany miisa 2 tapitrisa manerana ny Nosy. Anisan’ny sehatra iray manahirana ny olona ny fahazoana izany kara-tany izany ka izany indrindra no antony hanatanterahana ity hetsika ity. Hatao isaky ny faritra ity hetsika ity ka hiara-hisalahy amin’izany ny Ministera, ireo Ministra mpiahy ny faritra tsirairay, ny governor sy ny Prefet miasa ao anatin’izany faritra izany.

“Ny tanjona hapetraka amin’ity hetsika ity dia ny hoe “karatany tsotra, mora, manakaiky vahoaka”. Izany indrindra no antony handaminana sy hizarana izany ho maimaim-poana. Mifanaraka amin’ny lasitra araka ny lalàna mifehy ny fananan-tany eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fanatanterahana ny hetsika”, araka ny nambaran’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany.

Karatany miisa 10 000isam-bolana isaky ny faritra no hozaraina ary hanomboka amin’ity volana martsa ity ny hetsika. “Vinavinaina ho voazara hatramin’ny faran’ny taona 2023 ireo karatany miisa 2 tapitrisa ireo. Anisan’ny tanjona hafa sady lehibe ihany koa ny hahafahana manome antoka ireo tompon’ny tany amin’ny fiarovana izany taniny izany, izay matetika hitrangana olana hatrany”, hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa ny avy eo anivon’ny Ministera ihany no ekipa teknika hikarakara ny lafiny teknika rehetra mahakasika izany fizarana karatany izany. Ny fanentanana ny olona hisoratra anarana hisitraka izany kosa no anjara asan’ireo mpiara-miasa hafa. Eo ihany koa ny fanohanana amin’ny fikarakarana ny lanonam-pizarana ny karatany any amin’ny Faritra tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire