ActualitésTatitra

Mayotte : Misokatra ny vanim-potoan’ny rivodoza 2022-2023

Nikarakara valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao Dzaoudzi ny prefektioran’i Mayotte manoloana ny fisokafan’ny vanim-potoan’ny rivodoza 2022-2023. Notronin’ny talen’ny « interrégional Météo France pour l’océan indien », Emmanuel Cloppet sy i Floriane Ben Hassen, tompon’andraikitry ny foibem-pamantarana ny toetry ny andro tao an-toerana izany.

Nanao jery todika ny vanim-potoan’ny rivodoza lasa ireo tompon’andraikitra nandritra izany, nanao vinavinan’ireo rivodoza ho avy ary nampatsiahy ny fihetsika tsara hatao mandritra ny fandalovan’ny rivodoza. Tsy hampatahotra fa hampivonona no tanjona hoy i Emmanuel Cloppet.

Laisser un commentaire