Faran’ny taona : Hikabary ho an’ny vahoaka ny Filoham-pirenena
Dépêche 30 décembre, 15h30, Toy ny fanaony isan-taona dia hitondra ny teny firariantsoa ho an’ny Malagasy rehetra ny Filoham-pirenena rahampitso faha 31 desambra 2022 amin’ny 8 ora alina. Mandritra izany no hanaovany jery todika ireo asa vita sy ireo asa mbola mitohy ary hanambarany ny vinan’ny taona 2023. Handeha amin’ny Fahitalavi-pirenena TVM sy ny Radio-pirenena RNM ary ao anatin’ny pejy Facebook an’ny Fiadidiana ny Repoblikan’ny Madagasikara Ofisilay izany.
