Kaominina Antananarivo: Nanatanteraka fambolen-kazo niaraka tamin’ny UCTU-FMA
Dépêche 03 avril, 12h, Niaraka namboly hazo teny Ankarahara Ankazobe ny kaominina Antananarivo Renuivohitra sy ireo mpikambana aio anatin’ny UCTU-FMA. Ny UCTI-FMA izay hikambanan’ireo mpitatitra eto an-drenivohitra rehetra. Miisa 1 300 ireo zana-kazo novolena tamin’izany. Marihina moa fa anisan’ny fepetra iray mety hanimba ny tontolo iainana ny karazana fitaterana tsy manaja ny fepetra ara-tontolo iainana ka manana adidy amin’izany ireo mpikamabana ireo. Fandraisana anjara mivaingana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro izao hetsika izao hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo.
